[Couplet 1]
Mbola agnaty R.A.P
Sarotra maty io lebaba
Fa zah nécromancien kö sanatria io R.I.P
Atontono Mic
Venhom ny MC, tainganako à l'ancienne prod-ny Nujabes en mode Face B
Yah rappeur zah, na artiste USB
Fa hirantsika jiaby tsy maintsy vakina @ VLC
Tsy tiako apoaka TNT
Zah pacifique kara Gandhi
Stoïque kara ny Marc Aurèle satria j'ai grandi
Nie-lehibe dia mila peace
Na lova nisitahana
Na niova tsy nitsipahana
Loha ny laka nitana
Fa manisy limite
Toerana kö tsisy respect
Sady be critique non constructif dia évite
Cheh-Oh, tsy miova nindō
Raha tsy mamoaka maximum-ko zah tsy mamoaka audio
Tode lay-tode lay quality
Tsy Raha fatany aty
Tsy ambany tany ty
Na dia tsy maintsy akany fatality, yeah
Freedom zah ni-fly nanandrana liberté
Fa tsy nety t@ nahy satria mozika ni-bercer
Kè, dette moral nanarakaraka
Nibabeko andraikitrako jiaby na valabalaka
Nisy nipalapalaka
maso nangarakaraka
Nify nangalakalaka
Gasy voazanajanaka
Hey
Zay natsipy tsy namiagna bouée
Self-made niainga @ tasi-tara/cahier
[Refrain 1]
Mi- tsaika tsaika hi-fètsa mic hun
M. I. C
Yo ngabе, no shade
M. V. P
Mi- tsaika tsaika hi-fètsa mic hun
M. I. C
Yo man eh, Kolontsaina
A. B. D
Mi- tsaika tsaika hi-fètsa mic hun
M. I. C
Yo ngabe, no shadе
M. V. P
Mi- tsaika tsaika hi-fètsa mic hun
M. I. C
Yo man eh, Kolontsaina
A. B. D
[Couplet 2]
2025 mi-Boom boom ciao zah mi-BoomBap
@vrai kickeur zovy aby tao tsy koboko jiaby
Ty ny anjara parpaing
@zay mba tsara fototra
Tsaratsara atolotra
Resaka art zah plein !
Gasikara jardin, hafafy aketo 'lay mba hay
Aketo zah mi-Défoule
Aketo zah mi-déballe
Na kely oanina dia voky
@Studio mandoky
Samby @fierté-ny oe namaky spin na boky
[Refrain 2]
Mi- tsaika tsaika, fètsa fètsa mic yah
M.I.C
Satria microphone mi-check yah
Mi- tsaika tsaika, fètsa fètsa mic yah
MVP
Yo microphone check yah
Mi- tsaika tsaika, fètsa fètsa mic yah
M.I.C
Satria microphone mi-check yah
Mi- tsaika tsaika, fètsa fètsa mic yah
MVP
Yo (microphone check yah)
[Couplet 3]
Peace jiaby, lamozika atao hizara love
Piko maso, ho any critique foazo za rah iova
Dago ozy Didier, foazo zah rah mandroso
Tsy zah lay tsy tia andeha fa daba ty tsy aleo mijotso
Fa
Ndre da ratsy ny antegna tiakotiako e
Lany mamy fa alefa mitsakotsako e
Fiharagna tsy vitany safosafo
Fa fiharetana ny maina sy ny oranandro
Kanefa eh ouh eh ouh
Mpivezivezy io ouh
Olo azo atokisana mety raika-raika roa
Yah
tsisy tia iara-hitady fa manantena iara-hibabasa
Dia aleo 'lay zandry solitaire mibaby casa
Tsy maha re-sta mandeha bus
Fa fuck ny prestige
Mila mivoatra fa tazomiko mental-ko t@ 13 piges
Mora ny malaza mora magnano bad buzz
Fa mila responsable ny maison ozy lay ngiah t@ 4Keuss
Mbola lava lalana tsinjovy ny amaraigna
Ahirata maso dia diovy koa ny saina sy fo
Ataoko ho-mérité zegny azoko
Akoatrany mpanakorontana raghhh poah roasiko !
That's Good, calme anao f'aza taitaitra
Hoatao tegna raitra
Rap ty fa aza maika
Miala
Ho-vagno rah ty nivoaka ny vala
Tsy lanim-boay miaraka @nay
Kö tia holany dia andana
Ty bizina sady döla
Dia tohizina na tsy mora
Dia nandaniana vola
Dia andaniana rôra
Ny adala tsy mitovy öla
Adalana tsy hita @söra
Samby namian-janahary ny anjarany dia misaora
Dia mitrantranga
Tia hotafita dia mitsangana
Mpitantana tsy manampy hiampità fa mampianatra
Midangana, ny be fikafika eto @tanana
Voa mikipy anao, voambahaka dia vita na oe mangana
Tsy efa mihôtra zay ny 90 mesure
Fomba fiainana mbola lavitra @moral 'ny Épicure
Nie-matoy, voankazo 'ny arbre-nay zah nie-mure
Kö sendra cul du sac, potehina degany mur
Mbola anaty R.A.P
Sarotro maty io lebaba Fa
Zah nécromancien kö sagnatria io R.I.P
Atontono M-I-C
Venhom ny MC, tainganako à l'ancienne prod 'ny Nujabes arigato ! Merci
[ Outro ]
Yeah Diovy seza, yah na dia tsy mbola hipetraka zah... Yo yo yo
Tainganako à l'ancienne prod ny rah Jun Seba... (Rest in power)
Remix 'ny Luv(sic) part 1 ty vita gasy
Gasy mahay raha. Rap Gasy havita raha
Atontono M.I.C. Venhom Ngabe avao ty
HipHop foreva, classic shit à la 90's
Motro-motro ampelan-tananay zao flambeau
R.A.P sarotra maty
Tsy hoavela Simba
Mamba Rap zah mibata 24 Alias Kobe
Talentako lalina midadasika mialà Thalassophobie