Hatram’zao

By Raboussa

On Revinay

Released on 2014

Thumbnail

Hatram'zao za tsy tonga saina

Fa oe rava ilay fitia

Nanaraka ahy ahatrany am’bovo ilay tsikitsiky ndry

Hatram'zao za lasalasa saina rehefa ao an-trano

Toa kamokamo, masoko manganohano

Toa manitra anao ilay toerana nihaonatsika farany

Toa misy ny anaranao eto tonga hatrany ampianarana

Toa tsy mino ny saiko tam'le veloma mandrapihaona

Fa miandra anao faona, raovina ‘dray voa mba ihaona

Dia ny alahelo anatiko ao mamirafira

Ny anaranao foana no lasa hirahira

Raovina indray andoro izay fitia sisa tsy may

Izay sisa aty amiko reveko m’lay dia zay

Matsiaro ilay fitsikinao aho sisa “draidray

Tatara sisa ilay fitiavatsika atram'zay

Toa lasa vinany tsy aiko izay niova tao

Hatram'iny ,katram'maly,katram'zao

Ny foko tsy manaiky mihitsy,toa tsy mety voky

Tia ikozy aminao am sms sy facebook

Hoe:'raovina indray voa ihaona”

Sa mila miandry foana,na dia zato taona , anh?

Ka nefa tsika androany tsy aiko fa oe ifandao

Ka raiso dia enoi ti hira tia raha sitrakao

Nataoko ho anao fa enoi tsar any ady rima

Fa tsy mino hoe izao sy ianao ifanadino

Refrain:

Hatramin'izao aho tsy mety mino

Fa hoe iza sy ianao hifanadino

Ka hizara ilay làlana

Ho sampanana

Hatramin'iny ka hatramin’izao

Ny foko mbola tia anao

Saingy hokoboniko ho ahy samirery

Satria fitia tsy an-tery