Released on January 12, 2026

Thumbnail

[Verse 1 :] [M'rad]

Fa miavaka loatra raha samy viavy anao madamoko ô

Na dia marobe aza ireo mpamosy mitetika handrava nandamoaka ô

Tsy asiana maso izy fa jaloux, ny hafa no ho azony ,tsy izaho aloa

Na inon-kidoana na inon-kiatra, ianao no andrianiko, ianao no filoha


[Bridge :]

Ka ravahako anao ilay couronne

Mba ho porofo fa ianao akia no Reine

Eny ambony alitara miseho

Fa tsy anaty Fb no hifanao à la une

Izay nambarako teo tsisy lainga

Fa ianao moa mahita ny zavatra ataoko

Ka zao no lazaiko ry boo

Na tsy miss Mada ianao miss ato ampoko

Adala aminao izaho

Mba ento amin'ny lalanao izaho

Mba ho malalanao izaho


[Chorus :]

Ekeko tsy lafatra ny ampelan-tanako

Fa tsy ho atakaloko olo hafa

Izay mendrika anao anie mba mety amin'ny tenako

Na dia tsy tsara izaho mi-kiffa

Fa efa tsisy ankoatranao io

Eo anilanao no mamy eh

Ny foko efa anao io na maro mpila

Izaho tsy ho any eh


[Verse 2 :] [Alkah]

Na iza na iza eto ambonin'ny tany

Tsisy asoloko anao iny mamany eh

Izaho koa moa toa miha babo hatrany

Amin'ity toetranao feno hatsarana eh

Fa ianao ilay tsotsotra ary tsy mba fatal

Tiako tsy foiko na andro na alina

Ataontsika miraraka hivy ireo mpialona

Fa efa ianao hoy aho no Madame Alkah


[Bridge :]

Ka ravahako anao ilay couronne

Mba ho porofo fa ianao akia no Reine

Eny ambony alitara miseho

Fa tsy anaty Fb no hifanao à la une

Izay voalazako teo tsisy lainga

Fa ianao moa mahita ny zavatra ataoko

Listen me well my boo

Na tsy miss Mada ianao miss ato ampoko

Adala anao izaho

Mba ento amin'ny lalanao izaho

Mba ho malalanao izaho


[Chorus :]

Ekeko tsy lafatra ny ampelan-tanako

Fa tsy ho atakaloko olo hafa

Izay mendrika anao anie mba mеty amin'ny tenako

Na dia tsy tsara izaho mi-kiffa

Fa efa tsisy ankoatranao io

Eo anilanao no mamy eh

Ny foko еfa anao io na maro mpila

Izaho tsy ho any eh